INDRAY MIJERY

Ampiasana hiarovana fambolena sy zavamaniry amin’ny velaran-tany 5 ha amin’ny valala ny fanafody 1l. Fanafody fiadiana mivantana amin’ny valala mirefy 400 l no nampiasaina hikarakarana velaran-tany 400 ha amin’izao volana avrily ka hatramin’ny mey. Maniry ny hampiasana angidimby amin’ny famonoana valala ny teknisianina any ifotony.

Efa nivoaka ny tetiandro fizarana ny vatsim-pianarana ho an’ny oniversite enina sy ny IST ary ireo oniversite any amin’ny faritra, araka ny fampahafantarana nalefan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, omaly. Vatsim-pianarana telo volana sy ny tohana ho an’ny fampitaovana no nomen’ny fanjakana.

Nandritra ny Fihaonamben’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indianina andiany fahadimy, nanamafy ny fifanekeny ny sehatra tsy miankina fa hofongorina ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy. Nisy ny fiaraha-midinika niarahan’ny UNFPA, ny governemanta, ny mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina niompana tamin’ny lohahevitra: “”Fanamby ho amin’ny asa: Manavao hampihenana ny herisetra mifototra amin’ny karazana ary hahatratra ny fitovian’ny lahy sy ny vavy”.

Ny rivotra avy atsimo atsinanana no handrafitra ny toetry ny andro ato anatin’ny telo andro ho avy. Hibahan-toerana, araka izany, ny faritra maina manerana ny Nosy. Tsy misy ny vinavinan’ny fampitandremana ho an’ny morontsiraka fa ilaina hatrany ny fahamailoana.

Partager sur: