Sarinady iraisam-pirenena – Tulipe 2025: Hanamafisana ny fiarovana aty amin’ny ranomasimbe Indianina

Nifarana ny fanazarantena iraisam-pirenena notanterahina tao Mahajanga « Tulipe 2025 » nandraisan’ny firenena dimy anjara : Madagasikara, Seychelles, Maurice, La Réunion izay naharitra dimy andro izany.

Famintinana ny fandraisana anjara ho an’ireo solontena isaky ny sehatra no nisantarana ny andro famaranana omaly, notarihin’ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Derama­sinjaka Manantsoa Rako­toarivelo sy ny kaomandy ambonin’ny FAZSOI, ny Jly Jean Marc Giraud. Teo koa ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny tafika Seychelloises sy Maorisianina ary Kaomorianina. Nisonga­dina tao anatin’ireo lahateny nifandimbiasana fa nizotra araka ny tokony ho izy ity sarinady iraisam-pirenena. Na­hafahana nampitovy fijery hanamafisana ny fiarovana aty amin’ny Ranomasimbe Indianina ihany koa ny fanazarantena toy izao. Anisan’ny nahomby indrindra ny fikarakarana ity sarinady ity izay nataon’ireo miaramila miisa 1 500. Nankasitraka ny fandraisana sy ny rindran-damina rehetra nataon’ny Malagasy sy vahiny ny Jly COMSUP FAZSOI, ny Jly Jean Marc Giraud. Nisy koa ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety izay nilazan’izy ireo fa nizotra tsara ny fiaraha-miasa sy fampitana ny vaovao nandritra ny hetsika rehetra. Nandritra ny lanonam-pamaranana no nitondra ny tenin’ny minisitry ny Fo­loalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, ny Jly lehiben’ny etamazao­ron’ireo Tafika niarahaba ny mpandray anjara rehetra nahatontosa ny fanazaran-tena miaraka. Nankasitraka tamin’ny fahavononana hiara-hanamafy ny paikady amin’ny fiarovana aty amin’ny ranomasimbe Indianina sady nirary soa ho an’i La Réunion handray ny andiany manaraka ny MFA.

Jean Claude

Partager sur: