Ady amin’ny tazomoka : Ilaina ny mamboly zavamaniry mandroaka moka

Aretina mbola mamono olona eto Madagasikara ny tazomoka. Manohy ny ady amin’ity aretina ity ny fanjakana. Ilaina isan-tokantrano koa ny mamboly ireo zavamaniry mandroaka moka.

Fambolena zava-maniry mandroaka moka no nanamarihana ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny aretina tazomoka, teny An­drohibe, ny zoma teo. Cyprès, kininim-potsy, veromanitra, balisama, pervenche, solila, romarin no nambolena teny amin’ny faritra misy ny sampan-draharaha miady aminy tazomoka. Ny isan-tokantrano koa tokony hamboly ireny karazan-javamaniry ireny mba tsy hahatamana ny moka ary manakana azy tsy hiditra any an-trano. Mora maniry ary tsy dia mila fikarakarana be ireo karazan-javamaniry ireo kanefa manampy betsaka amin’ny ady amin’ny tazomoka.
Nisy koa ny fampahafantarana ny tomban’ezaka tamin’ny taon-dasa teo amin’ny ady amin’ny valanaretina tazomoka, ny zoma teo. Teo ny fizarana lay misy odimoka natao tamin’ny distrika 105, izay mbola tena ahitana ny aretina. Nisy koa ny famendrahana ranom-panafody mamono moka isan-tokantrano tamin’ireo distrika 5.
Fanamby amin’ny ady amin’ny tazomoka ny tsy hisian’ny olona matin’ny tazomoka intsony ary hanafoanana miandalana ny tazomoka eto Madagasikara. Mbola mijanona ho aretina mamono olona maro eto an-toerana anefa hatreto ny aretina tazomoka.
Lohahevitry ny fankalazana moa ny hoe, “Ho resentsika ny tazomoka : tohizana ny ezaka hanolotra paikady vaovao”.
Fiarovana mahomby indrindra ny fatoriana anaty lay misy odimoka na atoandro na alina, na an-tsaha na an-tanàna. Eo koa ny fanalana ireo rano miandrona sy lobolobo fieren’ny moka manodidina ny toeram-ponenana.
Tsy tokony hiandry marara mafy vao manatona tobim-pahasalamana fa vao mafana hoditra dia efa mila mailo sy mitsabo tena na ankizy na lehibe.

Tatiana A

Partager sur: