Fahasalamana : Mandray ireo marary mafy amin’ny alina

Mampitaraina ny olona mitondra raharaha eny amin’ny tobim-pahasalamana ny tsy fisian’ny mpiasan’ny fahasalamana rehefa ora fisakafoana na rehefa amin’ny alina. Nanazava ny tomponandraikitra fa misokatra amin’ny fotoana rehetra isan’andro amin’ny ora rehetra ny tobim-pahasalamana. Izay no nametrahana ny lehiben’ny CSB akaikin’ny toeram-pitsaboana mba hahafahana miantso azy haingana. Nasiana trano ho an’ny rasazy sy ny dokotera mihitsy ao amin’ny faritry ny CSB mandray an-tanana haingana ny marary mila vonjy amin’ny alina. Tsy maintsy misy mpiandry raharaha rehefa ora fisakafoana fa tsy miara-mivoaka avokoa izy ireo. Miasa mandritra ny adin’ny 8 ny mpiasan’ny fahasalamana ary misy manolo indray izy avy eo. Maimaimpoana ny fandraisana voalohany ho an’ny olona mila vonjy aina. Ireo tena mila vonjy aina no raisina voalohany ka tokony hanaraka fandaminana ny rehetra.
Mampitaraina ny olona ihany koa ny kolikoly anatiny ary voakarakara kokoa ireo mahatolotolotra ny mpiasan’ny fahasalamana. Ilaina foana ny fifampiresahana amin’ireo tomponandraikitra rehefa sendra misy olana ary efa nahazo baiko amin’izany izy ireo ka tsy tokony hisalasala amin’ny fanamarihana toy izay, hoy ny tomponandraikitra.

Tatiana A

Partager sur: