Hopitaly: Manao ezaka amin’ny fandraisana tsara

Noresahin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny kalitaon’ny fandraisana marary eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra sy ny hopitalim-panjakana. Raha ny fanehoan-kevitry ny olona dia betsaka ireo tsy afa-po amin’ny tolotra sy fandraisana eny amin’ny tobim-pahasalamana. Maty ho azy ny marary raha tsy misy vola…
Ny Dr Ramarolahy Andriantiaray Rija, tale jeneraly misahana ny tolotra ara-pahasalamana dia nanazava fa efa betsaka ny fampianarana natao. Tsy misy fanavakavahana ny fandraisan’olona eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra raha ny fanazavana. Misy ny « fond d’urgence » handraisana maimaimpoana ireo mila vonjy ary misitraka izany avokoa ny olona amin’ny saranga rehetra izay mila fitsaboana maika.
Ilaina ny tsikera amin’ny sehatry ny fahasalamana satria hahafahana manatsara ny paikady entina hanatsarana ny fahasalamana ireny, hoy ny Dr Andrianomen­janahary Jacques.
Ny hopitalim-bahoaka dia tsy mialon-jafy fa misokatra amin’ny sokajin’olona rehetra mila fitsaboana. Efa noentanina amin’izany avokoa ny mpiasan’ny fahasalamana mba tsy hisian’ny fanavakavahana.
Eny amin’ny CSB izay tobim-pahasalamana fototra dia misy ny takelaka manoro ny sampan-draharaha samihafa hoy ny Dr Randrianasolo Henri, lehiben’ny fitaleavana misahana ny tobim-pahasalamana fototra. Manamora ny fivezivezena izany.

Tatiana A

Partager sur: