Governora Rasoamaromaka Hery : Tazonina ny tanàna milamina, mitohy ny ezaka fanatsarana

Nanao tombana ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, tetsy Ambohidahy, taorian’ny fandraisana ireo filoham-pirenena maro, izay niatrika iny fivoriamben’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) iny.

Nisaotra ny tomponandraikitra maro ny governora, Rasoamaromaka Hery, tamin’ny ezaka nandaminana ny tanàna tao anatin’ ny fotoana fohy, nandritra ny COI. Nisaotra ny vahoaka malagasy ihany koa ny tenany tamin’ny fahendrena sy fahaizana mandray vahiny. Tsy ni­tsanga-menatra i Madagasi­kara.
Tsy hijanona intsony ny ezaka fanatsarana ny tanàna. Hitohy ny asa ifarimbonan’ny rehetra ary fotoana hampadraisana andraikitra ireo matoritory izao. Hisy hatrany ny fanamboaran-dalana, ny fanadiovana ny tanàna sy ny fanatsarana ireny fotodrafi­trasa ireny.
Mbola handray ny fivorian’ ny Sadc rahateo i Madagasi­kara amin’ny volana aogositra izao ka tazonina ny filaminan’ ny tanàna. Ny filoham-pire­nena Rajoelina Andry rahateo no filoha hitantana ny Sadc manomboka izao.
Betsaka ireo nandray lesona nandritra ny fivoriamben’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina COI teo ka anjaran’ ny tsirairay ny mahita hoe na­havita ve sa tsia. Na ny governora rehetra aza dia tokony hampiseho fa misy dian-tanan’ ny fanjakana eo amin’ilay faritra misy azy. Tsy tokony hanampatra fahefana anefa izy ireny.
Takin’ny vahoaka any amin’ ny faritra ny vokatry ny asan’ ireo governora. Jerena izay tena mahavita ary ampiana. Tsaraina koa ireo tsy misy ezaka mihitsy.
Mandalo ny fitantanana fa mametraka zavatra tsara amin’ izay andraikitra natao no tokony ho tarigetra, hoy hatrany ny governora, Rasoamaromaka Hery.
Tsy maintsy miezaka ary maneho fa mahavita azy ny tomponandraiktra tsirairay. Lasa ny filoham-pirenena no lasibatra rehefa mandringa ny ekipa miaraka aminy. Tokony hisy vokatra tsara anaty fotoana fohy avokoa ny rehetra. Tsy tokony avela hiady irery ny filoham-pirenena fa hiara-kampandroso no tena nisafidianana ireo mpiara-miasa.

Tatiana A

Partager sur: