Anisan’ireo tanora 30 voafantina tamin’ireo 6 000 nisongadina tamin’ny “Youg Leaders 2025”, araka ny nambaran’ny French African Fondation, ny Dr Domoina, izay avy ao amin’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Sangany amin’ny fomba fitarihana feno fanoloran-tena izy. Nampisongadina azy indrindra ny fahaiza-mitarika amin’ny alalan’ny asa ataony amin’ny sehatry ny fahadiovana, fanentanana, fiaraha-mientan’ny olom-pirenena ary fanovana fitondran-tena.
Entin’ny Dr Domoina mamirapiratra Antananarivo sy i Madagasikara manontolo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’izao naha voafantina azy ao anatin’ny « Youg Leaders 2025” izao. « Antananarivo madio, maitso ary mandroso » no tarigetra ary anisan’ny ilofosan’ny Dr ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra miaraka amin’ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala.
Voninahitra lehibe ho an’ny Renivohitr’i Madagasikara sy fahafahana vaovao izany, indrandra eo amin’ny fifanakalozana sy ny fiofanana ary ny famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana.
Tatiana A