Notanterahina nandritra ny roa andro, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ny fiofanana ho an’ireo mpanombantombana (Evaluateurs) en Validation des Acquis de l’Expérience (VAE). Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, amin’ny alalan’ny direction des evaluations professionnelles et de la validation des acquis de l’expérience sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana ary notohanan’ny Institut de la Francophonie pour l’Education et la Formation (IFEF), amin’ny alalan’ny Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) izany.
Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana politika ankapoben’ny fitondram-panjakana napetraky ny filohan’ny Repoblika, mikendry ny fanofanana ho fototra hanatsarana sy hanomezana lanja ny loharanon’olombelona izany.
Mpandray anjara miisa 35 no tafiditra amin’ity atrikasa ity. Nahitana ny mpampiofana sy matihanina avy amin’ny sehatry ny fizahantany. Tanjona ny hanofanana olona afaka hiasa ho mpanombantombana (évaluateurs), mandritra ny fanadinana “Validation des Acquis de l’Expérience” hotanterahina tsy ho ela eo amin’ny sehatry ny fizahantany.
Mbola hitohy amin’ny fanofanana ho an’ireo Concepteurs de mise en situation professionnelle sy ireo mpikambana ao amin’ny mpitsara izany.
Vonjy