Ny tsiokan’ny alizay tsy marin-toerana indraindray any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy no handrafitra ny toetry ny andro, nanomboka omaly hatramin’ny zoma ho avy izao. Ny fandalovan’ny rindrin-drahona ao atsimon’ny Nosy kosa aorian’izay. Hisy orana malefaka miatoato any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana, afovoany atsinanana ary atsimo atsinanan’ny Nosy hatramin’ny zoma. Hisy orana tandrifin-drahona kosa manomboka ny sabotsy any amin’ny ilany Atsimo Atsinanana. Ho maina ho an’ny faritra hafa rehetra. 15- 25°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 23 – 36°C ny tolakandro.
Nihaona sy nifampidinika tamin’ireo tomponandraikitra ao amin’ny ivontoeram-panofanana ao Toamasina ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Nandray ny hetahetan’izy ireo ny minisitera. Tanjona ny hanamafisana ny fanofanana matihanina ho an’ny tanora. Hahafahan’izy ireo ihany koa mahazo fahaiza-manao sy miditra amin’ny asa am-pahombiazana ary manampy amin’ny fampandrosoana maharitra.
Ho fanamafisana ny tohana ataon’ny Pam (Programme Alimentaire Mondial) ho an’ireo mponina marefo ao anatin’ny Faritra Anôsy sy Androy, notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny birao fiasan’ny Pam ao Tolagnaro. Manamarika ny fahavononana amin’ny fanampiana ny vahoaka marefo any amin’ny tapany atsimo izany. Hialana koa ao anatin’ny fahantrana ka izao fanarenana birao aty ifotony izao hoy ny governora, Rakotovelomanantsoa Voahary.
Tanteraka ny atrikasa famolavolana ny “fiche technique”, izay ny rindran-damina entina hanatsarana ny fitaovana ampiasaina amin’ny ora fanarenana. Fitaovana ampifanarahana amin’ny fanovana ny rafi-pampianarana vaovao. Paikady entina hamerenana an-tsekoly indray ireo zatovovavy niala an-daharana tany amin’ny kolejy mandritra ny vanim-potoan’ny fialantsasatra lehibe ny Cran.