Ambatomena-Fianarantsoa: lasan’ny jiolahy ny zava-maneno tao am-piangonana

Efa mihanika hatrany anaty tranom-piangonana ireo mpangalatra ao Fianarantsoa. Lasan’ny olon-dratsy ny zava-maneno tao amin’ny Ekar Ambatomena Fianarantsoa, ny alin’ny asabotsy hifoha ny alahady 15 janoary teo. Nila­tsaka avy any amin’ny tafo ireo mpangalatra. Tsy nihetsika arak’izany ny varavaran’ny fiangonana ka tsy naha rototra ireo manodidina. Rehefa ha­natrika lamesa maraina anefa ry Masera. Hatairana no nidirana tao amin’ny efitranom-piangonana. Efa nisavoritaka sy nosihosehan’ireo tsy mataho-tody izany. Tsy vitan’io, nobatain’ireo mpangalatra ny zava-maneno sy ireo zavatra hitan’izy ireo ho sarobidy. Voatery nafindra tamin’ny toeran-kafa ny lamesa. Nidina nanao famotorana ny polisy ka andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: