Mandrefy ny fari-pahaizan’ny mpiadina sahady ny mpiandraikitra amin’ny alalan’ny CEPE andrana karakarain’ny Zap. Ho an’ireo efa nahavita nanatanteraka fanadinana hafa mialoha, mbola ratsy ny vokatra indrindra ho an’ny taranja Français sy ny Kajy toy ny mahazatra isan-taona.
Nikarakara CEPE andrana ny zone d’administration pédagogique (Zap), teto Antananarivo Renivohitra sy teny amin’ny Cisco Antananarivo Avaradrano, omaly tontolo andro. Ny talata 6 mey vao hanatanteraka ny azy ny Zap eo anivon’ny Cisco Antananarivo Atsimondrano, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ramananjatovo Arsène, omaly. Enina ny Zap eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohotra raha 22 ho an’ny Cisco Atsimondrano. Andrana fahatelo ny omaly ho an’ny EPP iray ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. Ho an’ny andrana roa natao, mbola ratsy hatrany ny naoty ho an’ny taranja Français sy ny kajy, hoy ny talen’ny EPP. Manantena izy fa hisy fivoarany ny vokatra ho an’ny andrana fahatelo.
Miara-manantanteraka ny andrana ny sekoly rehetra ao anatin’ny Zap na miankina amin’ny fanjakana na miahy tena. Iraisana ny laza adina ho an’ny taranja rehetra. Manome vola fandraisana anjara ny ray aman-dreny hanaovana dika mitovy ny laza adina sy ny taratasim-panadinana ampiasaina mandritra ny andrana.
Ho an’ny Cisco Avaradrano, samy manana ny fandaminany ny Zap tsirairay amin’ny fanantanterahana ny CEPE andrana. Hanao CEPE andrana ho an’ny sekoly rehetra ny Cisco ny 3 jona, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco, Ratsimandresy Aina Nambinintsoa. Ho an’ny fanadinana CEPE ofisialy, manana mpiadina 11 981 ny Cisco Antananarivo Avaradrano, 350 ny efitrano fanadinana ho an’ ny foibem-panadinana 23 handray ny mpiadina. 7 taona ny mpiadina zandriny indrindra ary 72 taona ny zokiny indrindra izay hiatrika ny CEPE ao amin’ny CEG Ankadikely.
Ho an’ny Cisco Atsimondrano, hotontosaina ny talata 3 jona ny CEPE andrana karakarain’ny Cisco manokana. Manana mpiadina 16 450 izy ireo amin’ny fanadinam-panjakana. Hiatrika ny CEPE ofisialy ny mpiadina ny 17 jona ho avy izao manerana ny Nosy.
Vonjy