Notokanana afakomaly ny fotodrafitrasa vaovao EPP Annexe Ambohibary, Cisco Antananarivo Atsimondrano, Zap Ampitatafika. Maoderina ny trano sekoly, ahitana efitra telo izay efa misy dablio avokoa. “Manana EPP ity toerana ity fa efa tranainy sy misy simba”, hoy ny ben’ny Tanànan’ Ampitatafika, Ramparaoelina Rado. Natao ny fotodrafitrasa mba hahafahan’ny ankizy mianatra tsy hisy ambana mety hahazo azy ireo. “Antoky ny ampitso sy lova tsara indrindra ny fianarana ka antony hanomezan-danja izany”, hoy ihany izy. “Manala vesatra ny ankizy mandeha tongotra alavitra mba handranto fianarana eny anivon’ny sekoly ity foto-drafitrasa vao natao ity”, hoy kosa ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin. Vonona hikolokolo sy hikajy ny fotodrafitrasa ny tomponandraikitry ny sekoly sy ireo ankizy hisitraka izany. Nitokana izany ny ben’ny tanànan’ Ampitatafika, Ramparaoelina Rado sy ny filoha lefitry ny antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin, ray mpiahy. Nanome ny tany nahafahana nanorina ny sekoly ny fianakaviana Mc Carthy sy ny Adsum Foundation, fiaraha-miasa amin’ny Madagascar development found.
Mino