Vondrona «C»: tsy nomen’i Algerie fahazoan-dalana i Maroc

Handray anjara…. tsy han­dray anjara? Tamin’ny ora farany, tsy mandray anjara ny Liona-n’i Atlas Maroc, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afri­ka, taranja baolina kitra natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”, tanterahina any Algerie. Raha ny vaovao nivoaka tamin’i Africa­news.fr ny asabotsy lasa teo, tsy nomen’ny fitondrana Alzerianina, fahazoan-dalana hisidina ny habakabak’izy ireo ny fiaramanidina Maraokanina. Raha tsiahivina, efa tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina Rabat-Salé, ireo mp­ilalao Maraokanina U23, handray anjara amin’ity “Chan 2023” ity. Niandry ora maro, ahazoana ny alàlana hamonjy an’i Constan­tine mivantana, saingy tsy nandefa izany ry zareo Ma­ra­okanina. Vokany, niverina namonjy ny fodiany ny delegasiona.
Raha tsiahivina, olana ara-diplaomatika teo amin’ ny roa tonta ny anton’izao tsy fifanarahana eo amin’ izy ireo, izao. Ny 21 septambra 2021, nanapa-kevitra ny fitondrana Alzeria­nina, fa nanakatona ny ha­ba­kabany ho an’ny sidina sivily sy miaramila an-dry zareo Maraokanina. Nane­ho ny alahelony, tamin’ izao fanakanana ny ekipa Maraokanina izao, ny filohan’ny federasiona, i Fouzi Lekjaa. “Mahonena ny tsy famelana ny ekipan’i Ma­roc tsy hanao “Chan”, izay efa niomana nandritra ny enim-bolana ary tsy afaka akory hiaro ny anaram-boninahitra eo am-pelantanany”, hoy izy.
Araka izany, tsy misy afa-tsy ny Barea sy i Sou­dan ary i Ghana, izany no hiady ny toerana roa hiakarana amin’ny ampahefa-dalana, ho an’ity vondrona “C”, ity.

Tompondaka

Partager sur: