« Hikalo ny kanton’i Bessa & Lôla ». Araka ny fanazavana nomen’i Faniry Raelison, iray amin’ireo hanatanteraka ity seho etsy amin’ny CCEsca Antanimena ny tolakandron’ny 11 mey ity : « 40 eo ho eo ny hira ho hirainay. Ao ireo hira nahafantarana an’i Bessa sy Lôla. Ao ihany koa ireo hira noforoniny ihany koa fa hirain’ny mpanakanto hafa. Ao ny hiran’olon-tokana, ny kaloin’olon-droa… ». Faniry Raelison, Mahery, Nanie, Farakely ary ireo vahiny tsy ampoizina, samy hanolotra ny hakanton’ny hiran’i Bessa sy Lôla avokoa.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ho an’ireo mpianatra kabary sy dihy ary valiha eo anivon’ny foibe fikarohana sy fampianarana Valiha Academie ny fanatevenam-pahalalana ivelan’ny sekoly. Fantatra fa hanatontosa izany afaka andro vitsy ry zareo. Manana ny lanjany lehibe ny fahalalana ny lamina voajanahary sy ny fahaizan’ny Malagasy mifehy izany, ka anisan’ny omena lanja amin’izao dia izao, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra.
Mitohy ny fitetezam-paritra sy fanatanterahina seho miaraka amin’ny Tanora Masina Itaosy. Hihazo ny lalam-pirenena faha-7 ry zareo ny faran’ity herinandro ity, ka hanatanteraka « Ezaka famoahana » ao amin’ny FJKM Kamafa Vatofotsy Antsirabe, ny alahady 4 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Nasaina manokana i Titi Razafindrabe. Ny 29 mey, hiaraka amin’ ny Kanton’ny Fanantenana ao amin’ny FLM Toby Fanantenana 67Ha indray ry zareo.