Natao tamin’ity herinandro ity, ny fakan-kevitra ho an’ny faritra Analamanga, izay handrafetana ny drafitra nasionaly mahakasika ny ady amin’ny fampiasana ankizy. Nisy ny dinik’asa ka lohahevitra maromaro no naroso tamin’izany, toy ny lalàna sy ny fampiharana azy, ny fampananan’asa, ny fampianarana, ny andraikitry ny sehatra tsy miankina sy ny orinasa manoloana ny fampiasana ankizy.
Aorian’ity fakan-kevitra ity dia ho fantatra mazava tsara amin’izay ny zava-misy marina amin’ny fampiasana ankizy eto Analamanga. Amin’ny alalan’izany no hahafahana mamaritra ny asa laharam-pahamehana tokony harafitra.
Efa natao tany Antsirabe sy Fianarantsoa ny fakan-kevitra ary hitohy amin’ny faritra hafa. Fiaraha-miasa amin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa no nahatontosana ny atrikasa rehetra.
Eto Madagasikara mbola maro ny olona mampiasa ankizy ary miharihary eny amin’ny fiarahamonina izany. Any ambanivohitra aza dia miasa amina fitrandrahana harena an-kibon’ny tany izy ireny ary tena tandindomin-doza.
Tatiana A