Kitra – Amboara rezionaly U19 Tafakatra ny ekipan’i Boeny

Nifarana omaly alahady ny fihodinana voalohany
amin’ny fifanintsanana hiadiana ny amboara isam-paritra, taranja baolina kitra ho an’ny sokajy U19. Ny fihaonana notanterahina tany amin’ny kianja Port-Bergé no nanakatona izany. Tafita amin’ny dingana manaraka ny ekipa voafantin’i Boeny, izay nahazo fandresena indroa.

Raha tsiahivina, nanilika an’i Sofia, teo amin’ny andro voalohany ary nandresy an’i Melaky, 1 no ho 0 nandritra ny andro faharoa, notanterahina ny zoma lasa teo. Omaly kosa teo amin’ny andro fahatelo, lavon’i Sofia, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0 i Melaky.
Efa fantatra avokoa, araka izany, ireo ekipa 8 hiatrika ny fihodinana faharoa dia i Vakinankaratra, Sava, Anosy, Atsinanana, Atsimo Atsinanana, Itasy, Atsimo Andrefana ary i Boeny. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny 25 febroary ka hatramin’ny 5 marsa ho avy izao, ny dingana manaraka.
Hozaraina anaty vondrona roa ireo ekipa tafita ireo, izany hoe hisy faritra 4 avy ny sokajy isanisany. Hifandimby hihaona indray izy ireo ka hiatrika ny famaranana, izay voalohany mahazo isa be indrindra.

Tsiahivina fa mbola nisy fitarainana nataon’ireo filo­han’ny ligy sasany mikasika ny taonan’ireo mpifanandrina sasany ka andrasana ny ho vokatr’izany. Marihina fa hitiliana izay handrafitra ny Barea, hiatrika ny Cosafa ny antom-pisian’ity fifaninanana ity. Efa misy ireo mpilalao voarain’ireo teknisianina, nanaraka akaiky ity fiadiana ny amboara rezionaly, ity.

Tompondaka

Partager sur: