Tsy mbola nivadika ho rivodoza ilay tangoron-drahona roa fa arahi-maso hatrany ny fivoarany nefa ahina hitondra ambana ho an’ny tapany avaratra sy atsinanana rahafakampitso.
Ho an’ny firafitra ankapoben’ny toetry ny andro, mitoetra ao amin’ny ranomasimbe Indianina ny “Zone de convergence intertropicale” (ZCIT) izay arahina rahom-baratra saika manerana ny tapany avaratry ny fari-dranomasina, araka ny fanambaran’ny teknisianin’ny Meteo Malagasy, tao anatin’ny filazana manokana momba ny toetry ny andro eto Madagasikara, omaly. Ao anatin’izany ZCIT izany, misy tangoron-drahona roa misongadina izay efa nitoetra nandritra ny andro maromaro. Ny voalohany, any amin’ny ilany atsinanan’ny fari-dranomasina ary ny faharoa kosa any amin’ny manodidina ny 1349 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Vohemar. Na efa hita taratra aza ny fisian’ny fihodinan’ny rivotra manodidina azy ireo, mbola misedra olana avokoa ireo tangoron-drahona ireo vokatry ny hamandoana tsy dia ampy sy ny sakana ateraky ny rivotra izay mitsoka mafy any ambony tsy taka-maso, hoy ny fanazavana.
Momba ny fironana ato anatin’ny dimy andro manaraka, araka ireo antontan-kevitra sy tarehimarika voaray farany, tombanana hihena miandalana hatrany ny herin’ilay tangoron-drahona any atsinanan’ny fari-dranomasina. Etsy andaniny, vinavinaina hihatsara kokoa ny tontolo ivoaran’ilay tangoron-drahona ao avaratra-atsinanan’i Vohémar. Hikisaka mianandrefana somary atsimo andrefana ny diany ka mety hiteraka ambana ho an’ny morontsiraka avaratra, avaratra atsinanana sy afovoany atsinanan’ny Nosy manomboka ny alarobia ho avy izao. Tombana ankapobeny ihany ireo satria mbola sarotra ny mamoaka vina mazava noho ireo antontan-kevitra maro mbola manjavozavo, hoy ny fanamarihana. Andrasana, araka izany, ny fironan’ny antotan-kevitra ato anatin’ny andro vitsy ho avy.
Mila manaraka vaovao ireo voakasika
Entanina sahady ny mponina amin’ireo faritra voalaza etsy ambony hanaraka akaiky ny vaovaon’ny toetry ny andro ary hiomana amin’ny mety hisian’ny ambana mivantana. Arahi-maso akaiky ny ho fivoaran’ity tranga ity.
Ny tsioka avy any atsinanana no mandrafitra ny toetry ny andro ka hahazo orana ny faritra Sava sy Analanjirofo iray manontolo. Erika kosa no hanjaka eto afovoan-tany. Hisitraka orana koa ny faritra Melaky sy Sofia ho an’ny hateloana manaraka. Ho maina ny andro eto afovoan-tany rahampitso. Momba ny maripana, hisy fidinany ho an’ny eto afovoan-tany 23 -24°C, toy izany koa ho an’ny faritra atsinanana ny alarobia izao, hidina 25°C ny maripana ambony indrindra.
Vonjy A.