Fito ny faritra mbola misy trangana Covid-19 amin’izao fotoana izao. 28 ny tranga vaovao tamin’ny fitiliana 449 natao ho an’ny herinandron’ny 7 hatramin’ny 13 janoary lasa teo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Dimy ny tranga misy fahasarotana ary tsy nisy ny aina nafoy ho an’ny herinandro farany. 39 ny isan’ny olona marary ka manome ny tranga voamarina 67 788 nanomboka ny volana marsa 2020 hatramin’ny 13 janoary teo. 66 331 no sitrana raha 1418 ireo lavon’ny valanaretina.
Ho an’ny tranga vaovao, Analamanga hatrany no nahitana ny maro anisa indrindra 20, manaraka Matsiatra Ambony, misy tranga telo ary tranga iray avy ho an’ny faritr’Itasy, Vakinankaratra, Diana, Atsinanana ary Atsimo Andrefana. Mbola mitoetra izany ny valanaretina na efa mihena isan-kerinandro aza ny tranga vaovao voatily. Maro koa ny marary tsy manao fitiliana fa manantona tobim-pahasalamana ka mahazo ny fanafody fitsaboana ny Covid- 19 avy hatrany hisorohana ny fahasarotana mety hitranga.
Vonjy A.