Notanterahina, ny asabotsy lasa teo tetsy amin’ny lycée JJ Rabearivelo Analakely, ny adina an-tsoratra tapany faharoa amin’ny fifaninanana fahatelo fandratovana polisy monisipaly 200 sy sampana mpamonjy voina 100. Efa nisy ny tapany voalohany tamin’ny adina ara-panatanjahantena sy ny adina am-bava. Taranja efatra: fahalalana ankapobeny, Mathématique, Frantsay sy Malagasy no nanadinana ireo mpiadina nandritra ny tontolo andro. Mpiadina 304 no tonga nandray anjara tamin’ny polisy monisipaly raha 302 kosa ny sampana mpamonjy voina raha 800 ny fitambaran’ny mpifaninana teny am-piandohana. Raha ampitahana ny mpifaninana ny taona teo aloha, betsaka ny mpiadina nanoratra ny anarana sy ireo mpifaninana tamin’ity andiany ity ary iray ihany ny mpiadina tsy tonga, iray hafa tara ka voatery nalefa nody. “Aoka mba tsy hivoaka lavitra ny faritra Antananarivo ny mpiadina ary ho tsara fitondran-tena eny anivon’ny fiarahamonina fa anisan’ny hitsarana ny mpiadina tsirairay izany” hoy ny kaomisera prinsipalin’ny polisy, Whens Ostrom. Aorian’ ny adina an-tosratra, misy ny fidinana ifotony ataon’ny mpandraharaha eo anivon’ny polisy monisipaly sy ny sampana mamonjy voina izay fanaraha-maso ny maha olona, mahakasika ny fitondratenan’ ireo mpiadina eny anivon’ny fiaraha-monina. Eo koa ny famerenana ny fandrefesana ny halavan’izy ireo sy fijerena ny antonta- taratasiny. Hisy ny “contre visite” atao amin’ireo kandidà anio amin’ny fijerena ny fahasalamany satria tokony ho salama sy tomady izy ireo amin’ny asa hosahaniny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaovana ny fitiliana ny aretina maro, ny fakana ra tanterahan’ ny tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny mpiara-miasa aminy avy ao amin’ny HJRA. Manaraka ny fenitra amin’ny fanadinam-panjakana ary misy fanaraha-maso avy amin’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny lalàna sosialy sy ny Bianco ny fanadinana ary mangarahara ny fifaninanana.
Vonjy A. sy Mino