TARATRY ny KANTO

Ho avy indray ny « Fetin’ny Reny »! Maro amin’ ny Malagasy no manamarika azy io. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo izay mamela izany handalo fotsiny. Ny fantatra, tsy an’ny Malagasy ny «Fetin’ny Reny» fa nampidirin’ny vahiny teto. Na ny famaritana na ny hevitry ny hoe «Reny» na «Neny» aza, mety tsy hitovy rahateo. Amin’ny ankapobeny, vanim-potoana mampiroborobo ny tontolon’ny varotra momba ny kojakoja fampiasan’ny vehivavy izy io, raha ny mari-pandrefesana nomen-dry zareo vahiny.

«Fahatsiarovana an’i Rolland Raelison, indray no hotanterahina amin’ny sabotsy izao», hoy i Mbosa, omaly, raha niresaka momba ny tohin’ny fandaharam-potoanan’ny Sehatra Bagasy. Nambarany fa hisy fijoroana vavolombelona hataon’ireo olona akaiky azy amin’io fotoana io. Marihina fa na gadona mihetsika, na milamina, samy ahenoina ilay fo sy fanahy maha Mala­gasy hatrany ireo hira noforonin’i Rolland Raelison.

Manana fialamboly tsy mbola nataony mihitsy ny tanora malagasy. Nisongadina io nandritra ny fotoana nanatanterahina ilay hetsika ho fialamboly ho an’ny rehetra niarahana tamin’ireo mpampianatra taranja malagasy. Mbola tena vitsy dia vitsy, ohatra, ny ankizy malagasy mahay milalao ny katro.

Ankoatra ny zavakanto sy kolontsaina, anisan’ ny mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fahafantarana an’i Madagasikara ny fizahantany. Hatramin’izao anefa, mbola vitsy ihany ny serasera hoenti-mampahafantatra ireny toerana kanto ireny.

Partager sur: