Hiatrika ny « Miss Monde »: Hihazo an’i Inde, anio, i Cyria Olivine

Tsara fiomanana. Vonona tanteraka hiatrika ny fifaninanana “Miss Monde 2025” andiany faha-72, izay hotontosaina any Inde, ny Miss Madagascar 2024.

Naka bahana nandritra ny volana maromaro ny “Miss Madagascar 2024”. Vonona ary hanainga anio tolakandro, hihazo an’i Inde, i Cyria Olivine Temag­nom­be. Any no hotontosaina ny fifaninanana iraisam-pirenena “Miss Monde 2025” amin’ity, manomboka rahampitso 7 mey hatramin’ny 31 mey izao izany. Tsy nisy nodinganin’ny komity mpikarakara sy ny Miss Madagascar ireo teboka rehetra ilaina amin’ny fiatrehana ity fifaninanana iraisam-pirenena anisan’ny goavana indrindra ity.
Tsy misy miova ireo “challenge” takin’ny “Miss Monde” amin’ny mpifaninana rehetra, izay hitsarana ireo tovovavy solontenan’ny firenena maro: ny Multimedia, Sport, World Designer, Top Model, Head-to-head ary ny Beauty with purpose (BWP). Ho an’ity “challenge” farany ity, nisafidy ny lohahevitra “Ny fiarovana ny zaza varira” i Cyria Olivine, ary efa nanaovany asa soa teto Madagasikara hatramin’ny nahalany azy izany. Naha­ri­tra enim-bolana ihany koa izay no nanamafisany ny fa­haizany teny anglisy, ary efa voafehiny tsara izany. Nana­raka fomba fisakafoana manokana, miampy ny fanatanjahantena sy ny fitaizam-batana ihany koa izy. Mazava loatra fa nanoman-tena tamin’ny re­saka filatroana, ny fahaizana mandaha-teny, sns, izay narahin’ny coach Michou Ramaro­bandro akaiky i Cyria Olivine.
Satria miara-dalana amin’ ireo tovovavy hiatrika ny “Miss Monde” ny mpampiakanjo, hisahana manokana ny Miss Madagascar i Lovatsaka K sy Symply By Mi. 20 mahery, eo mantsy ny karazana akanjo takin’ny mpikarakara, amin’ireo hetsika maro hotontosaina any. Nosafidian’ny komity mpi­karakara hampiakanjo azy mandritra ny “fifaninanana World designer” kosa i Fenosoa, tanora mpamorom-damaody izay Miss Vakinaka­ratra, ary nandray anjara ihany koa tamin’ny fifaninanana “Miss Madagascar” farany teo. Hisy ihany koa ny fanomezana entin’ny Miss Mada­gas­car any amin’ny “Gift of charity”, izay karakarain’ny fikambanana Miss Monde hi­tadiavana vola hanaovana asa soa. Asa tanana Zafima­niry, izay nomen’olon-tsotra tsy nitonona anarana izany.
Miomana tsara mba hibata ny fandresena ny tena tanjon’i Cyria Olivine sy ny komity mpikarakara ny “Miss Mada­gas­car”, ho reharehan’ny firenena. Avo dia avo anefa ny lentan’ny fifaninanana amin’ny maha iraisam-pirenena azy, ka mafy toy izany koa ny fa­namby miandry ny Miss Mada­gascar.

Zo ny Aina

Partager sur: