Kalon’ny fahiny – Hiran’ny omaly: Hisy ny « Zara sehatra Fetin’ny reny »

Hiavaka amin’ny rehetra! Anisan’ny hanamarika ny « Fetin’ny reny » ny Sehatra Bagasy, amin’ity volana mey ity. « Zara sehatra Fetin’ny reny », hotanterahina ny sabotsy 10 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. Hira maro hifandraika amin’ny sehatra na tontolo iriariavan’ny reny no hokaloina eny an-toerana, amin’io fotoana io. Tsy ho tarika iray no hanatanteraka izany fa fifarimbonana feo maro. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ireto: Inona no mampahory an’i Neny (J.Rajoro), Dia veloma Ikaky sy Ineny (Naka R), Fi­tiavan’i Neny (Klarystel), Hota­hiana anie i Neny (Naly R), Ry Neny ô (Victor Solo), Idada sy Ineny rehefa miteny (Manan­tsoa), Hira ho anao ry Neny (Ludger), Raha mbola bada lela (Ludger), Ineny masoandro lalaina (R Raelison), Nitsiky ianao (Railovy), Ny itiavako anao re ry Mama (Henri R), Hafa ihany i Mama (Bessa).
Ankoatra ny maha kanto ny hira, anisan’ny fampitan-kafatra sy fitaizana ary fanabeazana izy io ho an’ny Mala­gasy. Ireo rahateo no anisan’ny antom-pisian’ny « Zara se­hatra Fetin’ny reny ». Ahafa­hana maneho fa sarobidy ny reny sy ilay fitiavana lehibe ao aminy. Hanasongadinana fa toetra miavaka sy voajanahary ao anatin’ny reny ny fitiavan-janaka. Hainy ny nampandefitra zavatra maro ma­noloana ny fitiavana ny ankohonany, sns.

HaRy
Razafindrakoto

Partager sur: