TARATRY ny KANTO

Hatao ny 17 mey izao ny “Festival made in Germany”. Hetsika iray ho fanamafisana ny fifandraisan’i Madagasikara sy i Allemagne izy ity, izay karakarain’ny fikambanana “Les amis de l’Allemag­ne”. Hatao ao amin’ny Villa Berlin Ambatoroka izany, haka endrika hetsika ara-kolontsaina. Hisy fampisehoana karazan-javakanto mandritra io fotoana io. Mialoha izay, hisy koa ny fifaninanana baolina kitra eny amin’ny Kianja Alarobia, ny 10 sy 11 mey.
Hivoaka ny rindrina efatra ny fampianarana zavakanto sy kolontsaina malagasy. Fiaraha-miasa ho fampivelarana ny fahafantaran’ny Malagasy ny momba azy. Hisy ny fampianarana valiha hotanterahin’ireo mpampianatra navoakan’ny foibe fikarohana sy fampianarana momba ny valiha « Valiha Acadé­mie » handeha amina Radio eto an-dRenivohitra. Fampianarana sy fampitam-pahalalana hiainga any amin’ny fototra sy hivelatra eo amin’ny sehatra malalaka. Izany hoe, ho azon’ny rehetra arahina.
Hampahafantarina ilay boky “La poésie de Madagascar – Anthologie de Dominique Ranaivoson ». Hotontosaina ny zoma 9 mey izao, manomboka amin’ny 9 ora izany, eny amin’ny Craam Ankatso. Hiaraka hanolotra ny boky ny mpanoratra Dominique Ranaivoson sy i Nestor Rabearizafy, izay nanampy azy. Hisy fihaonana amin’ireo poety sa­santsany koa mandritra izany, ankoatra ny antsan-tononkalo sy ny Slam hataon’i Poety Rebely.

Partager sur: