Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena : Homen’ny Bet 261, Zato tapitrisa Ar isan-taona

Notanterahina omaly ma­raina, teny amin’ny Hotel Colbert Antanina­re­nina, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny orinasa Bet 261 sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Voarakitra anatin’izany fifanarahana izany ny fanomezana vola 100 tapitrisa Ar isan-taona ho an’ity farany. Vola izay natokana indrindra hanampiana ny mpanao fanatanjahantena sy hampivelarana ny tanora malagasy.
Nitarika ny fotoana, omaly, ny minisitra Marson Mous­tapha Abdulah, andaniny. Mariama Badji no avy amin’ny ankilany. Samy nanamafy ny roa tonta fa tsy hijanona ha­treo akory ny fifanohanana fa hipaka amin’ny lafin-javatra maro. Efa misy ny drafitrasa hafa vaovao, mety iarahan’ny roa tonta aoriana kely. Hisy rahateo ny fihaonana sy fivoriana mahakasika ny tetikasa ho avy.
Nanome toky amin’ny ampiasana ny vola araka ny tena filàna sahaza azy ny mi­nisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly. “Misaotra be dia be anareo ato amin’ny Bet 261 izahay. Manentana ny mpiara-miombon’antoka tsy miankina eto an-toerana. Raha misy ny azonareo atao ho an’ny tanora sy ny fanatanjahantena ma­lagasy dia misokatra ny varavaranay. Manentana ny fiaraha-mientana avy amin’ny orinasa na mpandraharaha eto an-toerana aho”, hoy ny minisitra Marson Moustapha Abdulah.

Randria

Partager sur: