Fiarahamonina malagasy: … Ho resim-bavy ny lehilahy ?

Hanamarika tsy ho ela ny « Fetin’ny reny » i Madagasikara. Fomba vahiny, saingy, efa zary fahazarana ho an’ny Malagasy ny mankalaza izany. Manahirana manoloana ny lamina voajanahary, anefa, ny fiantraikany.

Fatra-panaja ny lamina voajanahary ny Mala­gasy. Iray amin’ireny ny hasina ananan’ny vehivavy ao anatin’ny fiarahamonina. Mi­fanindran-dalana amin’ny vehi­vavy na ny vavy ny fisian’ny lehilahy na ny lahy. Samy nitana ny anjara toerany. Samy nanatanteraka ny adidiny. Samy nanefa ny andraikiny… Nahatazanana fifamenoina avokoa ireo.
… Amin’izao vanim-potoana izao, ny lehilahy no mihemotra sa ny vehivavy no lasa aloha sy mandeha haingana loatra? Ho an’ny kolontsaina malagasy fahiny, ohatra, tsy nikabary ny vehivavy. Ny ankehitriny, « rehefa tsy hanao ny lehilahy, aleo hanaovanay azy ». Manabe sy mitaiza ny taranaka mba ho tonga olom-banona ny adidin’ny vehivavy. Amin’izao, mitady vola tahaka ny lehilahy… Anisan’ny nampiavaka ny lamina voajanahary narahin’ny Malagasy, anefa, ny fanajana ny vehivavy. Na tsy nodradradradraina aza, efa zary nipetraka sy narahina teny anivon’ny fiarahamonina.
Raha tsiahivina, nisy vanim-potoana ny vehivavy no nandrindra ny lamina tao anatin’ny tanàna na vohitra na faritra iray (Rafohy sy Rangita ohatra). Taty aoriana, mbola ny vehivavy indray no nitondra na nitantana fanjakana (Ranavalona I, II, III, Raso­herina ohatra)… Nanomboka nahazo vahana tany anivon’ny fiarahamonina noho ny tosika nomena azy manokana ny vehivavy. Mitana « toerana ambony », mampidi-bola be noho ny lehilahy…
… Ho resim-bavy sa efa resim-bavy ny lehilahy malagasy? Raha tanjaka sy hery, mety mbola manaraka ny lamina voajanahary ihany. Ny ankoatra izay, miankina amin-javatra maro. Noho izany, raha mifamadika ny anjara toerana fototry ny lahy sy ny vavy, tsy azo tsaraina avy hatrany fa resim-behivavy ny lehilahy. Mety io lamina voajanahary imatimatesan’ny Malagasy arahina io ihany no ampiasain’ny vehivavy handrombahana ny toeran’ny lehilahy?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: