Saripika : Mampanahy ny tantara apetrany

Mahasondriana, mahavariana… « Azo hamantaran-javatra maro ny saripika », hoy ny mpahay tantara. Saingy, efa tonga saba-droa lela io fandinihana io ankehitriny. Maro loatra ny fanovana atao amin’ireny saripika ireny. Na, ho an’ny taloha, indrindra ho an’ireo saripika nalaina amin’izao vanim-potoana izao, saika nasiam-panovana!
Mampanahy ny tantara hapetraky ny saripika, atsy ho atsy. Ny zava-tsy nisy ka tsy tokony ho hita ao anatin’ilay saripika, indro fa tazana ao. Ny tsy misy indray, nanjary nisy. Mety hitondra vokatra na tranga hafa eo amin’ny fitrandrahana ny tantara, indrindra fa ny fikarohana ny fototra ireo.
Tsy ho azo atao ho porofo intsony izy ireny raha tsy hay ny manavaka ny « izy » sy ny « namboarimboarina ». Io faharoa io, anefa, no tena manaitra sy manintona ny tontolon’ny saripika. Mitady izay tsy hampisy lesoka sy hitondra « fahagagana » ao anatina saripika. Tsy miankina amin’ny fahaizan’ny mpaka sary fa mirona any amin’ny fikirakirana fitaovana hoenti-manova ny tena izy. Miova manaraka izany koa ny tantara!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: