Talily Kultur : Hanofana ho mpandra- haraha ara-javakanto

Seha-pihariana koa ny zavakanto sy ny kolontsaina. Toy ny asa rehetra anefa, mitaky fahalalana fototra sy fahalalana manokana momba ny sehatra izany. Maro ireo te hisehatra anatin’ny fandraharaharana manodidina ny kanto, kanefa tsy tena mahita ny lalan-kombana, noho ny tsy fisian’ny lalam-piofanana manokana momba izany. Hanampy azy ireny ny tanjon’ny Talily Kultur amin’ny karazam-pampiofanana omeny.
Hanomboka izany ny fiofanana mahakasika ny fandraharahana ara-javakanto, izay hatao ny 14 hatramin’ny 16 mey izao. Misokatra ho an’ireo efa ao anatin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny famoronana izany, ka te hanatontosa ny tetikasany amin’ny fomba matihanina kokoa. Hanomboka any amin’ny famolavolana ny tetikasa mba ho tsara fototra, ny fanomezana paikady hampivoatra ny forona ara-javakanto, ny fampifanojoana ny tetikasa ara-javakanto amin’ny tsenam-barotra misy, ny fomba fahazoana famatsiam-bola ho an’ny tetikasa, sns, no hovelabelarin’ny ekipan’ny Talily Kultur mandritra ny fiofanana. Matihanina amin’ny sehatry ny fihariana manodidina ny zavakanto avokoa ny mpampiofana.

Zo ny Aina

Partager sur: