Hisy atrikasa momba ny zon’ny mpamorona. Hotontosaina rahampitso 9 mey izany, manomboka amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Anac Anosy. Hitarika izany ny talen’ny Omda, Joelinirina Rarivojaona, hamelabelatra manodidina ny fifehezana ny lalàna, ny fahafaha-miaro ny sanganasa, ny fanatsarana ny fiaraha-miasa anatin’ny tontolon’ny zavakanto ary ny fanomezan-danja ny forona ara-javakanto.
Hanokatra ilay fampisehoana lehibe hotanterahin’ny tarika Exo any Toamasina i Fara Andriamamonjy. Rahampitso 9 mey, manomboka amin’ny 6 ora hariva, ao amin’ny CRJS. Fantatra fa handray anjara amin’ity seho nampitondraina ny lohateny « Ho tonga anie ny fanjakanao » ity ihany koa ny STK Tanora Zandriny avy ao amin’ny FJKM Tranovato Toamasina.
Hampiova kolontsaina ny tsy fiarovana azy. Marobe ny kolontsaina vahiny tafiditra eto Madagasikara. Anisan’ireny ny endrika amam-bikan’ny trano. Ireo zavatra hita ao aminy tahaka ny soratra, sns. Ankoatra ny fandrosoana, mila mampita hafatra ny ray aman-dreny: « tahaka izao no endriky ny trano eto amintsika fa tsy io »… Matetika, ny zavatra heverina fa kely tahaka izany no mampidi-kizo ny firenena iray manontolo.
Manana ny hasiny ny Malagasy! Miverina hatrany io, saingy, hatramin’izao, mbola vitsy no mahatandrina izany. Mila hampahafantarina amin’ny tanora fa raha sanatria ka maty io hasina io, sarotra ny hananan’i Madagasikara olom-banona. Ho lasan’ny vahiny ity Nosy ity. Noho izany, zava-dehibe ny mitandro ny hasina. Ny fianakaviana na ankohonana no tokony hanatanteraka izany voalohany.