Nisafidy ny anarana Léon XIV i Robert Francis Prevost, Ray Masina voafidy omaly, handimby ny papa François. 69 taona izy, teratany amerikanina voalohany hitantanana ny fiangonana katolika maneran-tany.
«Habemus Papam». Tsy niandry ela fa omaly tamin’ny 6 ora hariva, tany Vatican Rome, nivoaka ny setroka fotsy tao amin’ny Chapelle Sixtine. Manambara fa tapitra ny fihibohan’ireo kardinaly 133 maneran-tany. Voafidy ny Papa Ray Masina vaovao: Robert Francis Prevost, kardinaly amerikanina. Mitondra ny anarana Léon XIV ny papa faha-267 . Vaovao lehibe ho an’ny Eglizy Katolika Romanina sy izao tontolo ny nahatafapetraka azy 24 ora taorian’ny fihibohana. Mamaritra ny lamina ara-piarahamonina sy ara-politika manerana izao tontolo izao izany.
Taorian’ny fanambarana ofisialy, niseho vahoaka voalohany teo amin’ny lavarangan’ny Bazilikan’i Masindahy Piera ao Vatican izy. Nanao ny kabariny voalohany. ”Ho ao aminareo anie ny Fiadanana”, hoy izy nitsodrano voalohany ny mpino rehetra, vantany vao nandray fitenenana. ”Samy mpianatr’i Kristy isika. Mila ny fahazavana izao tontolo izao. Mila azy isika hampifandray amin’Andriamanitra sy ny fitiavany. Andao hifanampy hanamboatra izay tetezana izay”, hoy ny hafatra voalohany nomen’ny Papa vaovao.
Endriky ny fisokafana
”Endriky ny fisokafan’ny fiangonana ny fananana ny Papa Léon XIV. Niala tamin’ ilay hoe eoropeanina hatrany ny Ray Masina, na dia hoe eo aza ny fihaviana, misy koa ny fihitaran’ny Fiangonana maneran-tany”, hoy ny hevitry ny mpamakafaka ny tantaran’ny fiangonana Katolika iray.
Manan-danja eo amin’ny fifandanjan’ny hery politika mandrafitra ny fiainan’izao tontolo izao ny filohan’ny fiangonana Katolika. Sady evekan’i Rôma, izy no mpitarika ny fiangonana maneran-tany. Tsy vitan’izay, filoham-panjakana koa ny Papa Ray Masina. Mizaka ny sata maha firenena mahaleo tena azy i Vatican, na ao Italie aza.
Nangonin’i Zo ny Aina