Misongadina maneran-tany ny poeta malagasy, namoaka sanganasa amin’ny teny frantsay. Nisafidy ny sanganasan’ireo poeta 30 i Dominique Ranaivoson, natambany tanatin’ity boky « La Poésie de Madagascar » ity.
Jean Joseph Rabearivelo, Samuel Ratany, Dox, Jacques Rabemamanjara, Régis Rajemisa Raolison, David Jaomanoro, Esther Nirina, Henri Ratsimbazafy… Anarana poeta tany aloha tany, nametraka ny sanganasany hatramin’izao. Notohizan-dry Nestor Rabearizafy, Eugène Mangalaza, Victor Rasoanaivo, Fredy Rajaofera, Raharimanana, DD Sorajavona, Maurice Ramarozaka, Hajaina Andrianasolo, Patrick Ramamonjisoa, Na Hassi, Eli Ramanankavana, sns. Ny nampitovy azy ireo? Nametraka ny soniany teo amin’ ny tontolon’ny literatiora amin’ ny teny frantsay. Ho fanomezam-boninahitra ireo poeta sy ny asa sorany, namoaka ny tamban-tononkalo mitety vanim-potoana, ny « La Poésie de Madagascar ”, nangonin’i Dominique Ranaivoson.
Poezia noforonina nanomboka tany amin’ny taona 1900 ka hatramin’izao vanim-potoana izao, ireo nangonina ho boky iray ireo. Entina hanaporofoana ny talenta sy ny fahaizan’ny poeta malagasy, naneho ny aingam-panahiny amin’ny teny frantsay, tsy niala ny fototra maha izy azy. Mahalaza betsaka amin’izay ny kisary amin’ny pejy voalohany, mitanisa ny anaran’ireo poeta maneho ny sarintanin’i Madagasikara. « Maneho ilay fifangaroana ara-kolontsaina, teraka tamin’ny fanjanahantany izay novelabelarin’ireo poeta arakaraka ny vanim-potoana niainany izany. Voafehy ny teny, ny lohahevitra, ny kolontsaina sy ny foto-kevitra voizina anatin’ny sanganasa tsirairay. Misongadina indrindra anefa ny hoe malagasy ny mpanoratra », hoy ny nambaran’i Dominique Ranaivoson, nandritra ny fampahafantarana voalohany ny vokatra, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy.
Nanohana ny fivoahan’ny boky sy ny fanapariahana azy ny Fond Yavarhoussen. Nanolotra boky maromaro ho an’ireo trano famakiam-boky toa ny tranombokim-pirenena sy ny rantsa-mangaikany manerana ny Nosy, ny IFM ary ny sampan’ny Alliances Françaises ihany koa izy ireo.
Hisesy ny fampahafantarana ity boky ity, ato ho ato. Hanomboka izany ny “Fetin’ny Poezia”, izay hatao eny amin’ny Craam Ankatso, anio amin’ny 9 ora maraina. Aorian’izay ny eny amin’ ny IFM Analakely, ny asabotsy 10 mey, manomboka amin’ny 10 ora tolakandro.
Zo ny Aina