STK 50 taona: Santarina amin’ny fampisehoan’Antsan’i Kristy

Mankalaza ny faha-50 taona nijoroany ny Sampana tanora kristianina (STK) eo anivon’ny fiangonana FJKM. Hosantarina amin’ny fampisehoana rindran-kira Antsan’i Kristy, atao etsy Antsahama­nitra, ny 11 mey ho avy izao, izany. Manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny seho. Hisokatra amin’ny 10 ora sy sasany ny vavahady. Hana­fana sy hanentana eny an-toerana mandra-piakatry ny mpanakanto eny an-tsehatra ireo tanora maro notsongaina eo anivon’ny sampana. Mbola maro ny hetsika ataon’izy ireo, toy ny atao any Antsohihy, ny 30 jolay hatramin’ny 2 aogo­sitra izao. Tanjona ny hahafahana manangana tsangam-bato etsy anivon’ny tanin’ny foibe eny Ambohidratrimo. Hatsangana amin’izany ny kianja synthetic: basikety sy foot hahafahan’ny tanora milalao.
“Sampana iray mitory ny filazantsara amin’ny alalan’ny hira ny sampana STK. Tafi­ditra ao anatin’ny rantsana sy sampanasa fanatanjahantena ity tsangambato atao ity”, hoy ny filohan’ny kaomity faha-50 taona, ny mpitandrina Razaf­in­dratsinana Mialinoro Fina­ritra, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy anivon’ny foibe FJKM Antaninarenina, afakomaly. Vinavinaina ho faranana sy hovitaina amin’ny volana novambra amin’ity taona ity ny tsangambato sy ny fanamarihana ny faha-50 taona.

Mino

Partager sur: