Fandaharam-pianarana: Mila omena vahana ny kolontsaina

Efa ela no naroso tamin’ny tomponandraikitra isan’ambaratonga ny tolo-kevitra tokony hanomezana vahana ny kolontsaina malagasy any amin’ny fandaharam-pianarana. Hatramin’izao, mbola tsy tafapaka ihany ny hafatra. Io anefa, no antoka iray ahafahana manabe sy mamerina ny taranaka malagasy ho tena tompon’ny tenany, taniny, fombany, ny maha izy azy manontolo.
Tsy ampy ve ny mpampianatra hanatanteraka izany? Tsy ampy fahalalana na fahaizana ho amin’izany ve ny mpampianatra sy ny mpanabe isan-tsehatra? Raha ireo tranga ireo no mampatahotra, nahoana tsy hananganana tetikasa mifandraika amin’ny fanatevenam-pahalalana momba ny kolontsaina malagasy izy ireny? Sa, tsy mety mamaly fangatahana ny mpamatsy vola raha fantany fa hahalala zavatra maro ny taranaka malagasy raha vao mahay ny kolontsainy?
Na izany aza, tsy tokony hiandrasana rafitra izatsy na izaroa ny fanatanterahana ny fampidirana ny kolontsaina any anaty taranja ianarana. Finiavan’ny tomponandraikitry ny sekoly tsirairay no andrasana!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: