TARATRY ny KANTO

Tsy araka ny nandrasana ny vokatra tamin’ny “Madaghost Show”. Noheverina ho tokony anisan’ireo seho goavana ity niseho omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ity. Tarika 20 be izao no nalahatra, saingy tsy maro toa izany kosa anefa ireo mpankafy namaly ny antso. Mpa­nakanto heverina fa tian’ny tanora amin’izao fotoana izao anefa ireo…

Namakafaka ny toeran’ny rano anatin’ireo sary hosodoko i Hemerson Andrianetrazafy. Izy no nanentanany “Café-histoire” ny sabotsy teo, teny amin’ ny Mozean’ny saripika eny Andohalo. Naka ohatra tamina sanganasan’ireo mpanakanto malagasy mpanao hosodoko izy, namoaboasany ny hevitra fonosonin’ny sarina rano anatin’ireny. Mpanao hosodoko rahateo, ankoatra ny maha mpampianatra sy mpikaroka azy i Hemerson Andrianetrazafy.

Efa anatin’ny fiatrehana ny “Miss Monde” any Inde i Cyria Olivine Temagnombe. Niatrika ny lanonam-panokafana ny andiany faha-72 izy ny sabotsy teo. Nisafidy ny fitafy antandroy, ho fanomezam-boninahitra ny faritra niaviany sy mba hampisongadina ny kolontsaina malagasy ity “Miss Mada­gascar” ity nandritra izany. Heverina fa nampisongadina azy koa izany, ka tombony sahady amin’ny tohin’ny fifaninanana avo lenta izay hatrehiny.

Partager sur: