Rossy : « Hetsika mampivondrona ny Tapôlakaglady »

Hiverina ny « Tapolakaglady »! Vaovao lehibe ho an’ny mpankafy ny tarika Rossy, indrindra ireo efa niaina ny hetsika, izany. Ivoizana soatoavina, dia ny fampivondronana izy ity.

«Glady, midika hoe goavambe. Any amin’ny fitaovana aloha, mpiandraikitra ny fanamafisam-peo raitra sy matanjaka eto Madagasikara ireto mivondrona ireto. Toraka izany koa ny lafiny kilalaon-jiro, fa indrindra ny Ecran géant, izay tsy mbola nisy tamin’ny andronay. Hiara-misalahy amin’ny tarika Rossy ireo, hanambatra ny traikefa sy fahaiza-manao. Rossy mpampivondrona, mpampiray hatramin’izay. Izay ihany koa ny Tapôlakaglady ». Fanaza­vana feno nomen’i Rossy, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Kianja Barea, omaly io.
Fihaonana voalohany na­nambarana tamin’ny fomba ôfisialy ny fiverenan’ny « Tapô­lakaglady ». Hatao ny alatsinain’ny Pentekôty, ny 9 jona izao izany, eny amin’ny Coli­seum Antsonjombe. Mpika­rakara hetsika telo no indray mivondrona amin’ny tarika Rossy hanatontosa izany : ny Cool Concept, ny Ivenco ary ny Sary sy Feo. « Manana ny fitaovana raitra sy takin’ny fampisehoana goavana amin’ izao fotoana ry zareo. Tamin’ ireny tao Antsahamanitra ireny, jiron-jaridaina no nampiasainay fa namoaka ireny ihany. Ny olombelona no nanananay maro tamin’izany, fa izao kosa efa maro sy raitra ny fitaovana. Izaho izao mba maniry hoe asiana sarina mpanao hiragasy marobe mandeha amin’ny écran aoriana ao, mirindra amin’ny hira hataonay eny an-tsehatra, izao vao ho tante­raka izany », hoy hatrany i Rossy.
Manamafy izany, nanambara ireo mpikarakara fa hiova endrika tanteraka ny Coliseum amin’io fotoana io. Hampia­saina avokoa ny toerana 70 000 m², izay mahazaka mpijery 30 000 isa. « Ecran géant » 200 m² no hampiasaina, hamoaka ilay kisary efa noketrehina ela, hampisongadina ny hetsika. Voaresaka ihany koa fa hojerena manokana ny lafiny fandriampahalemana, ary efa nisy ny fiaraha-miasa amin’ ireo kaoperativa mpitatitra mba hijery ireo mody alina.
Tsy mbola nanome ny an­dinindininy mahakasika ny ara-javakanto sy izay rehetra hiseho eny an-tsehatra kosa i Rossy sy ireo mpikarakara. Mbola hisy ny fotoana faharoa hampahalalana izany.

ZonyAina

Partager sur: