Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tsy miankina sy ny fanjakana. Tontosa omaly ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera amin’ny alalan’ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara (Ormada) sy ny vondron’orinasa Filatex. Mahakasika ny fanatanterahana ny tetikasa fanazavana ny zaridaina sy ny lalana ao Anatirova izany, amin’ny alalan’ny fametrahana jiro mahenika ny 250 metatra.
« Mifanaraka amin’ny fenitra takina amin’ny vakoka toa izao ny tetikasa, izay natao haharitra sy manaja ny tontolo iainana. Tafiditra ihany koa anatin’ny fitiavan’ny vondrona Filatex hitondra fanatsarana eto an-dRenivohitra izany», hoy ny nambaran’ny tomponandraikitry ny Filatex, Tahiana Ramaromandray.
Hanomboka any amin’ny fijerena ny filana rehetra, ny fametrahana fitaovana ary ny fampandehanana sy fikojakojana ireo jiro no horaisin’ny Filatex. Hanampy betsaka ireo mpiambina, fa indrindra hanome sary tsara an’Anatirova amin’ny alina, izany. Mety azo vinavinaina aorian’izay ny fisokafan’ny Rova amin’ny andro hariva. Ny volana desambra any no ho vita ny tetikasa.
Zo ny Aina