Hisy ny velakevitra momba ny haisoratra, hotontosaina rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Ireo andrarezina amin’izany no hitarika, ahitana an’i Jean Nalisoa Ravalitera, hamakafaka ny lohahevitra « Literatiora marolafy, mifanaraka amin’ny vanim-potoana », sy Ranoe, hitondra ny « Mpanoratra marojery mandrafitra zavakanto».
Hiverina hiaraka an-tsehatra ve ry zareo « Pazzapa 3 »? Efa tazana niaraka nanatontosa rakitsary iray aloha ry Stan sy Nanah, Nampoina, Haja, Stéphane, sns. Efa 20 taona tokoa mantsy izay, satria ny taona 2005 izy ireo no namoaka ilay « Tsikitsiky lava », anisan’ny hira nalaza indrindra tamin’ny « Pazzapa ». Miandry fatratra ny tohin’ity fiarahana ity ireo mpankafy.
Mitohy ny andian-tseho hataon’ny tarika Ny Fanilo. Taorian’ny teny Ampitatafika, ny alahady teo, hihazo an’i Betafo indray ny tarika, ny zoma 16 mey izao, ao amin’ny sekoly Mahaiza. Hitohy any amin’ny FJKM Ankadinondry Sakay izany, ny alahady 18 mey. Ny fiderana an-kira no tena ataon’ny tarika Ny Fanilo, ary miara-miasa amina fiangonana maro izy ireo.
Hifamotoana ireo mpankafy ny Radio Feon’ Imerina, sady mpankafy ny hiran’i Romule. Ao amin’ny Resto Ny Railovy Analakely ny fotoana, ny sabotsy 24 mey, manombka amin’ny 10 ora. Hanentana izany i Mbola Rabarivola, zanak’i Romule, sy ireo mpanakanto namany. Hamerina indray ny “ao ihany ve?” “ Ry ampitso”, “Mamiko loatra”, “Fandaharana”, “Fitia vita voady”, sns, izy ireo.