« Malagasy Design gaze »: hetsika ho an’ny forona miavaka

Hanasongadinana ny fahaiza-manaon’ireo Malagasy mpanakanto eo amin’ny sehatry ny famoronana. Izay no tanjona amin’ny hetsika «Malagasy Design gaze», hotontosaina ny 7 hatramin’ny 21 jona izao, eto Antananarivo. Haka endrika varotra fampirantiana ny hetsika. Mikasa ny hampiseho amin’ny rehetra ny fahaizana, ny kalitao ary ny harenan’ny famoronana vita malagasy ny mpikarakara. Ahafahan’ireo mpankafy ny zavakanto mifandray amin’ny fanaingoana sy ireo mpisehatra eo amin’ny Architecture d’intérieur mahita sy mividy ireo asa tanana tsara kalitao sy miavaka, izany. Aorian’ny lanonam-panokafana, ny 7 jona, hisy ny fanandramana ireo famoronana amin’ny lafiny sakafo, ao amin’ny Le Gourmet, ny 13 jona. Hitohy amin’ny fampirantiana ao amin’ny Fondation H izany aorian’izay. Ny 21 jona kosa ny lanonam-pamaranana, ao amin’ny Le Marais, amin’ilay hetsika «Mars Design Attack». Fanamarihana rahateo ny Fetin’ny Mozika io andro io. Ireo mpanakanto mpamorona handray anjara: Ando Ramanantsoa, Fanjar, Saïda Augustine, Chlöe Ramanankasina, Iandry Randriamandroso, Eric Raisina, Kiady Ratovoson, Aina Dedemary Georges Floret.

Zo ny Aina

Partager sur: