Vaovao tambatra

Nihena 45,3% ny vola niditra tamin’ny fanondranana lavanila nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025. Nidina 44,3% ny vokatra, nihena 1,8% ihany koa ny vidiny. Antony mahatonga izany ny hamaroan’ny tahiry, milanja hatrany amin’ny 1 000 taonina, any ivelany ka nampihena ny fanafarana.

Tafakatra 212,9% ny vary nafaran’i Madagasikara nanomboka ny janoary ka hatramin’ny volana marsa na nihena 13,1% aza ny vidiny. Nahatonga izany ny fiovaovan’ny toetr’andro izay niantraika teo amin’ny tsena sy ny vokatra eto an-toerana. Vokany, nampitomboina ny fanafarana hamaliana ny filana sy ny tsena.

Karazan’omby tsara hena sy manome ronono ny Manjan’i Boina. Manao fikarohana ny hamerenana ity karazan’omby ity ny Tobim-paritra fikarohana any Miadana, Ambovondramanesy, Mahajanga II. Misy ny tetikasa FSRP iarahana amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana hisahana izany.

Nahazo toby herinaratra avy amin’ny masoandro ny kaominina Ankililaoka, distrika Toliara II. Mamokatra herinaratra 573 KW ity toby ity, miteraka tanjaka 440 KVA. Miisa 20 000 ny mponina misitraka azy. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fampidirana herinaratra any ambanivohitra (Ader), fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina izy ity.

Partager sur: