mpianatry ny SMK: hiray sehatra amin’i Mandresy

Miabo hatrany! Raha toa ka ny sehatry ny CCI Ivato no nahazatra ireo mpianatra dihy ankehitriny ao amin’ny SMK Obus School, hiakatra avoavo kokoa izany amin’ity. Hisedra ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina mantsy izy ireo, ny 15 jona izao. Mbola mpianatra kanefa efa zatra milahatra amin’ny matihanina ireto mpianatra dihy ireto. Faniriana ho tontosa ny an’ny ankamaroany amin’ity, satria hiray sehatra amin’i Mandresy Jackson ny sasany amin’izy ireo. Misy ireo soradihy iarahana, toa ny hahafantaran’ny maro an’i Michaël Jackson, izay naverin’i Mandresy novelomina taty aoriana.
Tsy izay ihany fa handravaka ny fandraisan’anjaran-dry Njakatiana, L Jo, Ny Voninavoko, Rebecca, Loïc, sns, ihany koa ireto mpianatra dihin’ny SMK School Music ireto. Toy ny efa mahazatra ireo mpianatra, sady fanadinana ho azy ireo no fanehoana izay norantovina ny fampisehoana toy izao. Tsy hadinoana ny soradihy noforonina tamin’ireo hira malaza iraisam-pirenena, ankoatra ireo hira sy dihy malagasy.

Zo ny Aina

Partager sur: