Mandeha ny fotoana: Marefo manoloana ny fandrosoana ny kolontsaina malagasy

Manana kolontsaina miavaka i Madagasikara sy ny Malagasy. Tsy tokana fa maro izy ireny. Na eo aza ny fiarovana azy ireny, tsy vitsy ireo misisika avy any ivelany. Tranga lehibe maro no aterak’io. Mety handemy ny kolontsaina malagasy mihitsy aza raha tsy mitandrina.

Kolontsaina, fomba amam-panao… Itoeran’ny tsy manam-paharoa i Madagasikara. Ny velaran-tany rahateo midadasika. Ny mponina ao aminy, manana ny tanjaky ny fahasamihafana na ilay « harena ny fahasamihafana ». Ny tazana sy iainana any amin’ny faritra avaratra, hafa noho ny hita any atsimo. Tahaka izany ihany koa ny avy any andrefana sy ny any atsinanana ary ny avy ao afovoantany. Ireo rehetra ireo, anefa, samy itsofohan’ny « fandrosoana » avokoa. Matetika, avy any ivelan’ny Nosy izy ireny.
Taona 1896, nanomboka nahery vaika ny fampidiran’ny vahiny ny kolontsainy. Tsy nandeha irery izany fa niaraka tamina fanaratsiana na ny fanilikilihana ny an’ny Malagasy. Nobadoina tsy ho tia ny azy intsony ny tompon-tany. Niharihary fa marefo manoloana ny « fandrosoana » ny kolontsaina malagasy. Ilay fomba fisainana na toetsain’ny Malagasy mihitsy no voadona ka nametraka fa rehefa an’ny vahiny, tsara avokoa. Ny an’ny Malagasy, ratsy sy ambany…

Niova endrika, niova bika
Hatrany amin’ny votoatin’ny kolontsaina no niova sy niofo fa tsy nijanona teo amin’ny endrika amam-bika ihany. Ireo fombam-bahiny no lasa fomba malagasy. Ny fivavaham-bahiny, no lasa fivavahan’ny Malagasy. Na hita fa tsy mifanaraka velively amin’ny maha malagasy aza izy ireny, nankatoavina satria ireo mpitondra fivavahana, ohatra, no nampiditra azy teto. Ny mpitondra fivavahana vahiny, nolohalohavina an-tampon’ny loha. Ireo raiamandreny nahatana ny fomban-drazana notsipahina am-bavafo.
Nanao randra-mitarika ny tranga tahaka izany ka tafapaka aty amin’ny Malagasy miaina amin’izao vanim-potoana izao. Zary tsy mahatsiaro tena manoloana ny varodraikiraiky hoentin’ny « fandrosoana » ny Malagasy. Nosoram-potaka sy vingavingaina ho « hiran’olona antitra » eo imason’ny tanora ny kalon’Imerina na nanjary nihatahany lavitra. Niharan’izany koa ireo karazan-dihy maro tahaka ny latsitanana sy ny varibotry ary ny asapinga. Lasa nihataka tsikelikely azy ireny ny tanora ka nifatratra any amin’ny « dihim-body ».
Mba hahatonga ny taranaky ny Malagasy hanana saina handini-javatra. Nobeaziny tamin’ny alalan’ny angano, ankifidy, hainteny, sns, izy ireny. Ankehitriny, kolontsaina asesiky ny « fandrosoana », ny mandray vonona. Miha dombo sy kamo ny sain’ny tanora. Tsy afa-mikaroka fa izay omena azy, « harapany » avokoa. Diso hatrany amin’ny fiheverany ny tenany.

Misidina ambony vaotra-pahoriana

Manomboka mifantsika ao an-tsain’ny Malagasy maro ny fiheveran-tena fa ambany raha ampitahaina amin’ny vahiny. Nariana ny maha izy ny tenany fa nolohalohavina ny an’ny hafa. Atao tsinontsinona sy nanjary nahamenatra ny miaina sy manaja kolontsaina sy ny fomban-drazana ary izay rehetra mifamatotra amin’ireny (fady, tody, fitafy, fifanajana, fihavanana, teny…) fa ratsy, hono. Tsy mendrika sy tsy sahaza ny olona ambony sy mandroso, hono… Izany hoe, mihevi-tena ho efa lasa ambony ny Malagasy sasany, indrindra fa ny tanora, satria, efa manaraka ny fombam-bazaha.
Tsy mby ao an-tsain’ny Malagasy mihevi-tena fa lasa ambony akory ireto fanontaniana ireto, satria, efa dombon’ny « fandrosoana » ny sainy. Efa tampin’ny fombam-bahiny ny msasony. Firenena lasa ambony ve ka nahoana no mbola ao anatin’ny tany farahidiny? Lasa ambony ve ka maninona no feno olo-mahantra eny amin’ny fiarahamonina? Ny lasa ambony izany tsy miantehitra sy mitavandra fanampiana avy any ivelany isaky ny miposaka io masoandro io! Ny olona na vahoaka na firenena lasa ambony, afaka manampy ny hafa. Iza amin’ireo firenena eto ambany masoandro anefa no efa mba nampian’i Madagasikara, satria, efa lasa ambony, hono, ny Malagasy mponina ao aminy? Raha ireo tranga ireo no dinihina, akohokely nopao-papango ny Malagasy, lasa ambony vao tra-pahoriana!
Raha mbola raiki-tampisaka ao amin’ny fiarahamonina malagasy ny fiheveran-tena fa ambany manoloana ny vahiny, tsy ho afaka hiaina amin’ny tena fandrosoana ny Malagasy. Raha mbola manilika sy manaratsy ny momba azy manontolo (kolontsaina, fomba amam-panao, fivavahana, teny, tany…) ny Malagasy, tsy maintsy handady manoloana ireo vahiny hatrany ny taranany.

Fehezina amin’ny lalàna?

Mila mandray andraikitra haingana ny raiamandreny. Ovainy hatrany ifotony ny fomba sy ny rafitra rehetra « mitaiza vahoaka ». Goavana indrindra amin’izany ny ankohonana sy ny any an-tsekoly ary ny eny anivon’ny fiarahamonina. Ireo rahateo no itoeran’izay heverina fa raiamandreny loharanon’ny fahendrena. Apetraka na soratana na lazaina am-bava (fomba fanaon’ny Malagasy fahiny io), ny lalàna hitondra any amin’ny fanomezan-kasina indray ny kolontsaina malagasy.
Tsy kolontsaina malagasy, ohatra, ny « kolom-body ». Hasiana lalàna mifandraika amin’izay. Tahaka izany koa ny fanajana ny soatoavina sy ny fomba. Eo amin’ny fiarahamonina malagasy, misy ny olom-pady. Ilaina ny lalàna hoenti-manitsy sy mampahatsiahy ireo izay manadino izany… Saingy, hiandry lalàna hatrany ve vao hahalala fa ratsy na tsara, na mety na tsy mety, ny atao? Sao mba tokony hasiana lalàna mazava tsara ihany koa ny tokony hialan’ny Malagasy sasany ao anatin’ny habadoana sy ny fialonana ary ny fanomezana tsiny an’Ilay Nahary?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: