Hiavaka ny hanokafan’ny Madagascar Mozarteum ny taona 2023. Fampisehoana « Concerts d’orgue » indroa miantoana no hotanterahina miaraka amin’i Miravo Ramarolahy sy Hasina Stéphane (traompetra) ary i By Ramaroson (saksofona soprano). Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-135 amin’ny « Concert classique du midi », ilay hotontosaina ny talata 24 janoary ao amin’ny Ekar Faravohitra izy ity. Ny faharoa, hatao eny amin’ny Alliance Française Andavamamba ny alahady 29 janoary, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro.
Hizara roa ny fandaharam-potoana. Ny tapany voalohany, hanatanterahan’izy ireo ny fitendrena ny sanganasan’i Johann Sebastian Bach. Ny tapany faharoa, hamelomana sy hamerenana ny sanganasan’i Henry Purcell, Johannes Brahms, Edward Elgar, Hubert Parry, Jeremiah Clarke, Théodore Dubois.
HaRy Razafindrakoto