Hanokatra ny lalan’ireo mpanakanto malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy vitan’izay fa ho fanehoana ny firaisankina ny mpanakanto afrikanina koa ity hetsika ity.
Efa tonga eto Madagasikara ireo afrikanina mpanakanto maromaro. Anisan’ireny ry Kissila Kay avy any Cameroun, Dj Amaroula avy any Congo, El Passo avy any Maurice, sns. Anisan’ireo nampahafantarina omaly, fa handray anjara amin’ny hetsika « AfroMada Music Awards » andiany voalohany, izay hotontosaina eto Madagasikara izy ireo, nandritra ny fanokafana ny hetsika teny amin’ny Pietra Hôtel Analakely, omaly.
« Tetikasa tena tato anatin’ ny foko, tiako notanterahina efa ela izy ity. Efa ela aho no nahalala ny mozika malagasy, sy resy lahatra fa afaka misongadina maneran-tany koa ireo mpanakanto malagasy. Nitsiry teo ny hevitra ny hampihaona ireo afrikanina mpanakanto sasantsasany sy ireo Malagasy, na dia hifanakalo traikefa fotsiny aza » hoy ny nambaran’i Dr Falafala, tomponandraikitra voalohany amin’ny
« AfroMada Music Awards ».
Lehibe indrindra anatin’ity hetsika ity ny fanomezana fankasitrahana ireo afrikanina mpanakanto heverin’ireo mpankafy fa mendrika ny tokony hahazo izay « Awards » izay. Sokajy miisa 29 no nifaninanana, ka nahitana Malagasy mpanakanto mivoy karazan-gadona maroloko, maherin’ny 50 izany. Ho fantatra anio ireo mpandresy isan-tsokajy, araka izay nalahatry ny mpankafy nandritra ny iray volana, nanaovana ny fifidianana izay. Misy mpitsara iraisam-pirenena koa manana ny fijeriny, manampy ireo an’ny mpankafy.
Haka endrika lanonana arahina fampisehoana ny fampahafantarana anio alina, eny amin’ny Arena Ivandry. Hanafana ny fotoana ireo vahiny mpanakanto tonga eto, ampian-dry Parish, Moopcan, Maman’i Tsôlôlô, Tence Mena, sns. Handeha amina fahitalavitra maromaro aty Afrika sy ireo hafa ity hetsika ity, raha ny fanazavana hatrany.
Zo ny Aina