Takalo dinika : Hiresahana ny « vodiondry »

Tafiditra ao anatin’ny andiany fahatelo ny fampianarana ampitain-davitra, hiresahana ny « fanateram-bodiondry » ho an’ireo izay manaraka izany amin’ny « Zoom » na « Facebook ». Hovelabelarina ao anatiny ny maha tandrohasina sy soatoavina azy io. Ny Dr Rabenalisoa Ravalitera Jean, mpampianatra mpikaroka, sy Ranjatohery Harilala, mpahay tantara, izay samy akademisianina sy renala eo anivon’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy no hisorona ny afo ao anatin’ity Takalo Dinika amorom-patana ity. Tahaka ny nahazatra hatramin’izay. Ny alahady manomboka amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva (oran’i Madagasikara) no hanatanterahana izany.
Marihina fa anisan’ny fizarana fahalalana maro mpanaraka ny « Takalo Dinika amorom-patana » tontosain’ny foiben’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Tafiditra ao anatin’ny fanatevenam-pahalalana ho an’ny mpianatra na efa mpikabary izy ity. Fomba amam-panao, teny, sns, voaresaka sy omena lohahevitra ao anatiny avokoa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: