TARATRY ny KANTO

Handray seho mozika klasika ny AFT Anda­vamamba, rahampitso alahady, amin’ny 4 ora hariva. Ny trio Elgiaco, avy amin’ny Madagascar Mozarteum, no hamerina ireo sanganasan-dry G.Fauré, Rashma­nioff, Schumann, J. Williams, mandritra izany.

« Nankaiza ny lakolosy? », fampisehoan’i Gothlieb sy ny namany izay hotontosaina anio, etsy amin’ny CCEsca Antanimena io. Hatsikana ranoiray, fa iresahan’i Gothlieb ny fiainana andavanandro, ny poli­tika, sns, araka ny fanaovany azy.

Marihina rahampitso ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea. Noho izay, hisokatra manokana ho an’ny besinimaro ny Mozean’ny saripika eny Anjohy mandritra ny tontolo andro, ary tsy misy saram-pidirana izany.

Hatao rahampitso alahady 18 mey ny « Takalo dinika Amorom-patana », iarahana amin’ny Foibe Fimpima maneran-tany. Hitarika izany ny Dr Rabena­lisoa Ravalitera sy Ranjatohery Harilala, samy Renala ao amin’ny Fimpima. Amin’ny 4 ora hatramin’ny 6 ora hariva, ora eto Madagasikara no hanatontosana izany.

Partager sur: