Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’i Kevina sy Yanisse, voafidy ho « Miss & Mister malagasy » 2025, amin’ izao fandalovan’izy ireo eto Madagasikara izao, ny hanao asa soa. Tontosa soa aman-tsara ny « Tohan’aina 2025 ».
Ankoatra ny kolontsaina sy ny zavakanto, anisan’ny nahasarika an’i Kevina sy Yanisse, voafidy ho «Miss & Mister malagasy 2025» ny fanaovana asa soa eto Madagasikara. Anisan’izany ny «Tohan’aina 2025», izay nizaran’izy ireo sakafo mahatratra 1 000isa, teny Ambohimanarina, ny faran’ny herinandro teo.
«Tsara, faly be, mahafinaritra… Manana zo hifaly ny ankizy…», hoy i Kevina, raha namintina ny zava-nisy teny an-toerana. Ankoatra ny sakafo, nizara fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE ihany koa ireto «Miss & Mister malagasy 2025» ireto. Tsy teny Ambohimanarina ihany fa efa nisy ny hetsika niarahana tamin-dry zareo tany Fenoarivo Atsinanana sy Brickaville ary Foulpointe.
Hanairana ny Malagasy any ivelany
Efa misy rahateo ny vina sy tetikasa hotanterahin’i Kevina sy Yanisse eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ izany ny tontolon’ny fanabeazana sy ny ady amin’ny herisetra ara-nofo. Na izany aza, nandritra ny fanatontosana ny «Tohan’aina 2025» no nilazan’i Kevina fa anisan’ny antom-pisian’izao hetsika izao ny hanairana ireo Malagasy monina any ivelany mba hijery sy hanampy ny Malagasy eto an-toerana, araka izay azony atao. Nanao antso ho an’ny Malagasy izy mba hifanampy eo amin’ny fiainana.
«Mahay mifanampy ny Malagasy… Misaotra azy mianadahy… Ny soa fianatra…», hoy ireo olona tonga marobe teny Ambohimanarina. Hafaliana narahina tsodrano no nasetrin’ireo nahazo fanampiana sy tohan’aina ho azy mianadahy. Nandritra ity «Tohan’ aina 2025» ity ihany koa no nahenoina ny hetahetan’ireo olona marobe. Anisan’izany ny mba hananan’izy ireo asa sy velon-tena maharitra.
HaRy Razafindrakoto