Literatiora: hizara ny “Kipantsona” i Lova Santatra sy i Voary

“Miderà Azy amin’ny ki­pantsona tsara feo”. Sal.150-5. Avy amin’io andalana anaty Soratra Masina io no nakana ny anaran’ny hetsika “Kipan­tsona”. Antsan-tononkalo fa­na­on’ny Faribolana Sandratra izy ity, izay hotontosaina ny 24 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. I Lova Santatra sy i Voary no hifarimbona hizara ny kanto mandritra izany.
“Hizara telo ny fotoana, araka ny nandaminanay mirahavavy azy. Ny tapany voalohaany, ny kipantsom-boahary, hiresahana ny voary sy ny tontolony. Ny kipantsom-pitiavana ny faharoa. Ny kipantsona miako kosa ny fahatelo, izany hoe ny akony eo amin’ny fiarahamonina sy ny tontolo amin’ ny ankapobeny”, hoy ny fanazavan’i Lova Santatra.
Tononkalo 60, izany hoe, 30 avy no hantsain’i Lova Santatra sy i Voary mandritra ny hetsika. “Ny 30 amin’ireo no voarakitra anatin’ny bokikely izay amidy, fa ny ambiny kosa fanomezana, indrindra fa ankatoky ny fetin’ny reny io”, hoy hatrany i Lova Santatra. Ho azy manokana, andro lehibe io 24 mey io, satria tsaroany tsara, ny 24 mey 1996 izy no niditra voalohany tao amin’ny tontolon’ny literatiora, ka nifanerasera tamin’ireo poeta sy mpanoratra maro.
Horavahina hira gasigasy hatrany ny antsa tononkalo hifarimbonan’ireto poeta ireto mandritra izany. Tsy misy vidim-pidirana ny hetsika, fa hasaina am-pitiavana ireo mpankafy ny literatiora rehetra.

Zo ny Aina

Partager sur: