Federasiona Karate-Do : “Tsy ara- dalàna ny fifidianana tany Toliara”, hoy i Emile R

“Tsy manankery ny nahalany an’Andriamatoa Randriana­so­lo­niaiko Siteny ho filohan’ny Komity olympika malagasy (KOM) indray”, hoy Ratefina­na­hary Emile, filohan’ny federasiona karate-do malagasy. Nisy ny fanazavana izay nataony, tamin’ireo mpanao gazety mahakasika io fanambarana nataony io, teny Antaninareni­na, omaly.
“Taitra sy tohina tanteraka izahay nahita an’Andriamatoa Manitra, izay mitondra ny anaran’ny filohan’ny federasiona taranja Karate-Do eto Mada­ga­si­kara”, hoy ihany ity filohan’ny Karate –Do ity.
Raha ny fanazavany dia tonga nanatrika ny fivoriambe izay nokarakarain’ny KOM, Andriamatoa Manitra, izay mpi­kambana tao amin’ny “Co­mité exécutif”, izay efa nampiatoan’ny ligy tamin’ny fivoriambe ara-potoana na “AG extra”, notanterahina ny 7 jolay 2022, tao amin’ny lapan’ny fanatanjahatena Mahamasina.
Nomarihin’izy ireo koa, fa nandatsa-bato tamin’ny fifidianana izay nataon’ny KOM ity lehilahy ity. Araka izany, tsy azo ekena ny fivoriambe na “Assemblée Générale” sy ny fifidianana izay nataon’ny KOM, misy olona tsy ara-dalàna ao anatin’ny fivoriana.
Tsiahivina fa tonga nanatrika sy nanara-maso akaiky io fifidianana io ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Fana­tan­jahantena, Rakotozafy Rosa. Marihina fa ny 30 septambra lasa teo ity talen’ny fanatanjahantena ity no nandefa taratasy tany amin’ny filohan’ny federasiona eran-tany ny taranja Karate-Do, fa ara-dalàna tanteraka ny « AG extra » izay natao tamin’ny 7 jolay lasa teo.
Ankoatra izay, nampiantso an’i Emile sy Solofo ny Fede­rasionan’i Afrika, taranja Kara­te-Do (FAK), nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, izay natao tany Durban ny volana desambra lasa teo. Hanazava ny zava-misy marina no anton’ity fampiantsoana azy mirahalahy ity. Nanapa-kevitra ny FAK fa i Emile no filohan’ny federasiona ny taranja Karate –Do malagasy, ary tsy mahazo miditra amin’ny fivoriambe ny FAK intsony i Solofo, filoha teo aloha. Noho izany dia nangataka tamin’ny minisitera ny FAK mba hanaovana taratasy mahakasika ny “Attestation de fonction” sy ny “Certificat de conformité” ho an’ity filoha vaovao ity. Saingy hatramin’izao fotoana izao dia tsy nalefan-dRamatoa Rakoto­zafy Rosa ireo taratasy ireo. Manome fe-potoana 48 ora an-dRakotozafy Rosa ny filoha Emile mba hanaovana io taratasy io.
Nanao antso avo amin’ Andriamatoa Tinoka Roberto, minisitry ny Fanatanjahantena ity filoha vaovao ity ny mba handray fepetra hentitra mahakasika izany resaka izany. Nanao fitarainana koa izy ireo ny mba hijeren’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry ny Karate-do, fa misy manimba ny taranja ankehitriny. “Simbain’ ny filohan’ny Kom ny taranja karate-do”, raha ny nambarany.
Marihina fa diso ny filazana fa tsy afaka mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy na JIOI 2023, izay atao eto amin­tsika ny Karate-do malagasy. Antony, tsy ny atleta no nahazo sazy fampiatoana fa ny mpitantana, araka ny sazy navoakan’ny vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao na ny CIJ.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: