Tsy ny mpanakanto irery, fa maro ireo mpisehatra amin’ny zavakanto. Misy asa maro mitaky olona matihanina anatin’izany, ary misy rafitra ihany koa. Tsy mbola tsara petraka anefa io eto amintsika, ka matetika mbola tsy tratra ny fenitra takina amin’ny hetsika ara-javakanto isan-karazany. Ho fitadiavam-bahaolana amin’izay sy hanokafana ny sehatrasa manodidina ny zavakanto ho an’ireo tanora ihany koa no nikarakaran’ny Horizon Madagascar ny “Masterclass” manodidina ny lohahevitra: “fikarakarana hetsika eto Madagasikara”.
Maro ireo tanora liana, indrindra ireo efa nahavita na andalam-pamitana ny fianarany, manodidina indrindra izany. Miatrika ny fiofanana izay hitohy amin’ny fidinana an-kianja ho fampiharana avy hatrany izy ireo. Ny fampisehoana izay hotontosain’i Tiakola eto Madagasikara, ny 10 jona ho avy izao, no hampiharan’izy ireo voalohany izay rantoviny eo. Manana traikefa amin’ny fikarakarana hetsika eto Madagasikara sy any amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ireo mampita ny traikefany sy ny fahalalany mandritra izany. Tanjona iombonana ny hanofanana androany, hananana matihanina rahampitso.
Zo ny Aina