Nodimandry i Ericka, mpanakanto mpanafana lanonana isan-karazany, raha ny vaovao nampitain’
ireo namany. Efa nolazoin’ny aretina nanomboka ny taona 2022 izy, saingy tsy nahatohitra izany intsony. Efa nisy ireo hetsika vitsivitsy nifanentanan’ireo namany samy mpampandihy sy mpanafana lanonana ho fanampiana ny fitsaboana azy.
Hiran’ny omaly. Fampisehoana hikaloana ireo hira noforonin’i Nelson Rasamimanana. Ny alahady 29 jona izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Amphithéâtre sekoly Sainte Famille Mahamasina. Handray anjara amin’izany ny tarika Kanto ny Gasy sy Rinah, zanak’i Nelson Rasamimanana, Ry Andriampaniry. Raha tsiahivina, iray amin’ireo andrarezin’ny hiran’ny omaly i Nelson Rasamimanana sy ny sanganasany.
Fatra-paka tahaka ny Malagasy. Talenta, hono, ny fahaiza-maka tahaka? Mety ho izay tokoa. Fa io tondroina ho talenta io no iray amin’ireo singa ahafahana manainga fikarohana. Mety handrava ny efa misy ihany koa anefa raha tsy voatandrina. Izany hoe, raha tsy nisy ny «teo aloha», tsy nanana fiaingana ny «taty aoriana»? Tsy voatery ny lalana tahaka izao no arahina amin’ny zavakanto sy kolontsaina. Omena fahalalahana hamorona ny «fanahy»!
Maro amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy no nolazain’ny mpikaroka (vahiny na teratany) fa avy atsy na avy aroa. Raha ireny no jerena akaiky, toa tsy mba nanana ny azy ny Malagasy fa nindramina avokoa ny zava-drehetra.