Zandry Gasy sy Inah, eny amin’ny Extra Pizza By Pass (Tour Eiffel). Fiarahana tsy sambany, kanefa be mpiandry hatrany satria feno kokoa ny feo sy ny zavamaneno. Mifameno mantsy ilay feo miavak’i Inah, amin’ny talentan-dry zalahy Zandry Gasy. Toraka izany koa ny hira alahatra, mihodina amin’ny famelomana ireo vakoka sy soatoavina, ankoatra ireo forona taty aoriana.
Tsy misy intsony ny tapakila, ho an’ny sehon’ny Mahaleo Taranaka, anio, etsy amin’ny La City Ivandry. Miandry ny fotoana dia mianoka ireo hiran’ny tarika nitety vanim-potoana sisa ireo mpankafy. Tsy Mahaleo, fa ireo zanaky ny mpikambana, ahitana an’i Maharo, Benaivo, Rôrô, Pôpôly ary i Rado no hanafana ny seho. Eo koa ireo naman-dry zalahy, hanampy eo amin’ny zavamaneno.
Tonga eto an-tanindrazana i Gôda sy Ra-Play. Samy mpikambana ao amin’ny Lôlô sy ny tariny izy mirahalahy ireto. Homarihina amina seho, izay hotontosaina etsy amin’ny QG Ankorondrano izany, anio manomboka amin’ny 7 ora hariva. Mazava loatra fa iarahan-dry zalahy amin’i Benny sy Bebey izay manohy ny “Revy Lôlô” eto an-tanàna, ampian’i Nini Kolibera izany.
Herinandro mialoha ny seho, efa lany omaly ny tapakila amin’ilay seho hotontosain’i Ken, ny 30 mey izao, ao amin’ny La Scène Ivandry. Ilay fampisehoana, hampahafantarana ny rakikira voalohany, “Io ary nen’lah” io. Na kelikely aza ny toerana, porofo koa izao fa miroso amin’ny lalana nosoritany i Ken sy ny tariny. Miandry ny fampisehoana lehibe kokoa ireo mpankafy tsy mbola nahazo tapakila.